Tonga soa any Manakara ireo delegasiona avy eo anivon’ny Governemanta hiatrika ny lanonana ofisialy fanokafana ny famaliana ny filàn’ny fiaraha-monina eto Madagasikara.
Ny vadin’ny Filohan’ny Fanavaozana, Rtoa Elisa Randrianirina, Filoha Nasionalin’ny 𝑭𝒊𝒌𝒂𝒎𝒃𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝑭𝒂𝒏𝒋𝒊𝒓𝒚 no hitarika ny lanonana any amin’ny Kaominina Ambanivohitra Andemaka, distrikan’i Vohipeno.
Efa any an-toerana ihany koa ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa.
Tonga nitsena ireo vahiny ireo manam-pahefana ao Manakara. Ary anisan’ireo ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy.
Anisan’ny imasoan’ny Governemantan’ny Fanavaozana moa ny famaliana ireo filàna maikan’ny mponina ka zava-dehibe loatra izao dia izao.