❌️ Hetraketraky ny fahavalom-pirenena

👉 Tariby mitondra herinaratra mirefy 300 m indray no nisy nangalatra tao Mangatany
🔌 Nisehoana tranga fangalarana tariby mitondra herinaratra mirefy 300 m indray tao Marovoalavo, Fokontany Mangatany, Distrikan’ Arivonimamo, ny alin’ny 21 Septambra 2026, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany.
▶️ Vao naharay antso momba ny fahatapahan’ny herinaratra tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ampahimanga ny JIRAMA, dia niara-nihetsika avy hatrany tamin’ny Zandary, sy ny fokonolona tao Alakamisikely, ireo mpiasan’ny orinasa any an-toerana.
❇️ Nanao fitsirihana teny an-toerana sy fanarahan-dia an’ireo mpanao ratsy, izay mbola eo an-dalam-pikarohana ankehitriny.
🛠 Ankilany dia milofo amin’ny fanoloana ny tariby very ireo teknisianina an’ny JIRAMA, mba hamerenana haingana ny famatsiana herinaratra mankany amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ampahimanga sy Amboanana.
🫱🏽‍🫲🏼 Iangaviana hatrany ny mponina ao amin’ny Faritra Itasy, hanamafisana ny fiaraha-mientan’ny rehetra : iarovana ny fananana iombonana sy hamongorana ny halatra tariby mitondra herinaratra izay mahazo vahana tato ho ato, any amin’iny Faritra iny.

us nec ullamcorper mattis, pulvinar dapibus leo.