Ministère Chargé de la Refondation
Ministère Chargé de la Refondation
Fifanakalozan-kevitra mahakasika ny tetibolam-panjakana fototra ho an'ny taona 2027
Ao anatin’ny fanomanana ny tetibola fototra ho an’ny taona 2027 dia solontena avy amin’ny sehatra maro no nifanakalo hevitra tetsy amin’ny tranobe ny « Plan » Anosy io tolakandro io.Nandray anjara tamin’ity fihaonana ity ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena sy vondron’ny tanora.
Anisan’ny nanatrika ity fotoana ity Atoa Herinjakatahina Hajanarivo Laza Sekretera Jeneralin’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana
Ho an’ny sehatra tsy miankina dia ho fampiroboroboana ny toekarena ny tanjona tian-kotratrarina. Hampidirana ny vina sy filàna manokan’ny tanora , izay anisan’ny andry iray ao anatin’ny Fanavaozana ho amin’ny fampandrosoana ny firenena ihany koa ny fihainoana azy ireo. Ary farany dia henoina sy raisina ireo tolo-kevitra avy amin’ny fiarahamonim-pirenena mba hahazoana rariny ara-tsosialy bebe kokoa indrindra hahatongavana amin’ny fizarana mahomby ny harena ho an’ny rehetra
Tafiditra ao anatin’ny fametrahana fitantanana ara-bola mangaraharaha izao fihaonana izao, mba hahazoana vokatra ara-tsosialy sy ara-toekarena mivaingana, miantraika amin’ny fiainam-bahoaka