Ministère Chargé de la Refondation
Ministère Chargé de la Refondation
OIF : FIZARANA TRAIKEFA MOMBA NY FIKAONANDOHA SY NY FANAVAOZANA
04 septambra 2026
OIF Antaninarenina
FIZARANA TRAIKEFA MOMBA NY FIKAONANDOHA SY NY FANAVAOZANA
Nizara traikefa momba ny fikaonandoha sy ny dinika nasionaly tany amin’ireo firenena afrikanina toa ny Tunisie sy Gabon ny manam-pahaizana manokana momba ny fifanarahana, ny fanelanelanana iraisam-pirenena ary ny fampihavanana ao amin’ny OIF, Atoa THIERNO BA DEMBA DIALLO. Nasehony tao ny fomba fanao nampiharina tany amin’ireo firenena afrikanina samihafa teo amin’ny sehatry ny fikaonandoha sy ny dinika nasionaly.
Nandray anjara tamin’izany ny Minisitera misahana ny Fanavaozana (MCR), ireo solontenan’ny GenZ sy ny fiarahamonim-pirenena ary ary ireo solontenan’ny Fikambanan’ny Vehivavy (CNFM).
𝐓𝐫𝐚𝐢𝐤𝐞𝐟𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐧𝐨𝐳𝐚𝐫𝐚𝐢𝐧𝐚
Nifantoka tamin’ireo fomba fiasa nampiharina mba hanamafisana ny fandraisana anjaran’ny olom-pirenena, ny fampandraisana anjara ireo sokajin’olona samihafa, ny fisoloan-tena ary ny fandrindrana ny fizotran’ny dinika nasionaly ny fifampizarana.
Nampahafantarina ihany koa ireo lesona azo tsoahina avy amin’ireo traikefa efa niainan’ny firenena afrikanina, ka nahafahana nijery ireo lafiny azo ampifanarahana amin’ny zava-misy sy ny toe-javatra eto Madagasikara.
Ankoatra ny famelabelarana, dia afaka nifanakalo hevitra ireo mpandray anjara, indrindra momba ireo fomba fanao tsara azo raisina ho fototra amin’ny fanatsarana ny fizotran’ny fikaonandoha sy ny dinika nasionaly.
Ity fifampizarana traikefa ity dia manampy ny mpisehatra hahatakatra misimisy kokoa momba ireo dingana sy rafitra nampiharina tany amin’ny firenena hafa, ary manampy amin’ny fandinihana ireo vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eto Madagasikara.
Ao anatin’izany fizotry ny fikaonandoha nasionaly izany, ny MCR dia mitantsoroka ara-teknika sy ara-kevitra ny FFKM mandritra ny fanatanterahana ny dinika ansionaly ho an’ny Fanavaozana.