Morondava: Fanokafana ny taom-piasana vaovao momba ny Dinan'ny Menabe

Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy androany ny taom-piasana vaovao momba ny Dinan’i Menabe. Nitarika ny lanonana ny Prefet’i Morondava, ary nanatrika izany ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana, tarihin’Andriamatoa ANDRIATSIMA Onisoa, Mpandrindra Jeneraly, izay mamita iraka any Morondava amin’izao fotoana izao.
 
Mialoha ny nanatrehan’izy ireo izany lanonam-panjakana izany dia nihaona tamin’ny Lehiben’ny Fileovana ao Morondava, Ramanankirahina Faly Hery, sy ny Lehiben’ny Faritra Menabe, Lieutenant-Colonel Aunezifort Philippe, ny delegasiona.
 
Nandritra ireo fihaonana ireo dia nohamafisina ny fahavononana sy ny fahamatoran’ny fiaraha-miasa eo amin’ireo tompon’andraikim-panjakana, ho fanatrarana ny tanjon’ny Fanavaozana. 
 
Ny Dinan’i Menabe dia rafitra napetraka ho fifanarahana sy fifampifehezana ho amin’ny fitandroana ny fandriam-pahalemana eto amin’ny Faritra Menabe. Mampivondrona ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ny Tafika Malagasy, ary ny Komitin’ny Fandriampahalemana ifotony izany