𝟬𝟮 𝗢𝗸𝘁𝗼𝗯𝗿𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟲 | 𝗜𝘃𝗮𝘁𝗼
🇲🇬 MITOHY NY FANAVAOZANA EO ANIVON’NY SEHATRA SAMIHAFA
🤝 Notanterahina ny dingana faharoan’ny Atrikasa fifampidinihana stratejika ho an’ny Fanavaozana, nampivondrona ireo solontena avy amin’ny Minisitera, ny fitsirihana anatiny (PAM) ary ny Ekipa misahana ny Fanavaozana eo anivon’ny Minisitera (CRM).
🎯 Vokatra lehibe :
✅ Vita sy nohamarinina ara-teknika ireo volavolan-dalàna mifehy ny PAM sy ny CRM
🔎 Nohamafisina ho andry lehibe amin’ny Fanavaozana ny asa fitsirihana anatiny
👥 Natsangana ireo vondrona PAM sy CRM, ka natomboka ny fandrindrana
📌 Dingana manaraka : fanomanana ny tatitra ankapobeny, fampahafantarana ny Governemanta, ary fanohizana hahatonga ireo volavolan-dalàna ho amin’ny fankatoavana.
✊ Miara-manamafy ny Fanavaozana, isan-tsehatra.