Dingana lehibe no vita nandritra ny fihaonana teo amin’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Itasy, Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka, Kaominina Miarinarivo I, ireo Sefom-pokontany rehetra ary ny Syndicat d’Initiative (S.I.).
Nandritra izany no nandrafetana ny tetiandro hidinana eny anivon’ireo fokontany mandrafitra ny Kaominina Miarinarivo I, ho fanamafisana indray ny dinam-piarahamonina eny ifotony.
Niaraha-nidinika ihany koa ny paikady sy fomba fiasa mahomby entina mampiroborobo ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena sy ny fiaraha-mientana eny ifotony.
Tanjona : hamerina ny fitokisana eo amin’ny Vahoaka sy ny Mpitondra, mba hananganana fiaraha-monina mirindra, mandroso ary vonona amin’ny Fanavaozana.