Ministère Chargé de la Refondation
Ministère Chargé de la Refondation
Manakaiky ny vahoaka ny Fanjakana ary mihaino ny hetahetany
🗓️ 11 Oktobra 2026
📍 Fokontany Antanambao Atsimo sy Antanambao Avaratra, Kaominina Miarinarivo I, Faritra Itasy
Ao anatin’ny fampiharana ny fitsidihana sy fihainoana ny vahoaka ifotony, nisy ny fivoriam-pokonolona notanterahina tao amin’ny Fokontany Antanambao Atsimo sy Antanambao Avaratra, ao Miarinarivo I.
Ny tanjona dia ny fanangonana ny hetahetan’ny mponina mba ho fanoitra amin’ny famolavolana ny Lalàmpanorenana vaovaon’ny Repoblika.
Nankasitraka izao fidinana ifotony izao ny mponina ao Itasy. Sambany mantsy izy ireo no nahatsapa ho manan-danja sy nihainoana mivantana ny feony, rehefa niaina tao anatin’ny fanilikilihana nandritra ny taona maro.
- Ny Lehiben’ny Fileovana Miarinarivo
- Ny Ekipan’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana ao Itasy, notarihin’ny Talem-paritra Rtoa Sitraka Onitiana Ranarivao
- Ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka
- Ny Ben’ny Tanànan’i Miarinarivo I
- Fanjakana manakaiky vahoaka: Izany no soatoavina fototra apetraky ny Fitondrana Fanavaozana, mamerina ny fahefana any amin’ny olom-pirenena.
- Lalàmpanorenana miainga eny ifotony: Tsy ho lalàna fotsiny eny ambony latabatra intsony ny drafi-panorenana vaovao, fa haneho dika mitovy amin’ny zava-misy marina iainan’ny vahoaka.
- Fandraisana anjara amin’ny Fikaonandoham-pirenena: Nampafantarina sy namporisihina ny mponina haneho hevitra malalaka mba ho ampidirina ao anatin’ny fehin-kevitra hovolavolaina.
- Famerenana ny soatoavina maha Malagasy: Ny tanjona dia ny hanana fiaraha-monina mirindra sy mifanaja, mifototra amin’ny fihavanana sy ny fomban-drazana nisy talohan’ny fanjanahan-tany.
🛠️ Tao Antanambao Avaratra, nifanakalo manokana momba ny tsy maintsy hanatsarana sy hanamboarana ireo fotodrafitrasa efa simba sy lo nandritra ny taona maro.
— Rtoa Sitraka Onitiana Ranarivao, Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Itasy.