MAHAJANGA :Fandraisana ireo tanora mpikambana ao amin’ny A.J.I.V.A

09 Septambra 2026-MAHAJANGA

Ankafaliana no nandraisan’ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Boeny Atoa Razafindrakoto Tojo sy ny mpiara-miasa aminy ireo tanora mpikambana ao amin’ny A.J.I.V.A (Association des Jeunes Intellectuels Venant d’Ankazomborona).
 
➡Nandritra ny fihaonana dia naneho ny vina sy ny fahavononany handray anjara amin’ny ezaka fanavaozana izy ireo. Nohamafisin’izy ireo ihany koa ny fahavononana hifanolo-tanana sy hiara-hiasa amin’ireo ezaka mikendry ny fampandrosoana sy ny fananganana hoavy tsaratsara kokoa ho an’ny firenena.
 
Ny tanora, mpiantsehatra lehibe amin’ny Fanavaozana sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara.