Ministère Chargé de la Refondation
Ministère Chargé de la Refondation
LANONANA FAMOAHANA NY ANDIANY "KINTANA" AO AMIN'NY ECAT TARATRA: TANORA 50 NIOFANA MOMBA NY INFORMATIKA
🎓 Sahanivotry, Distrikan’Antsirabe II – Faritra Vakinankaratra
Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy tao Sahanivotry ny fiofanana momba ny informatika ho an’ireo tanora miisa 50 avy ao amin’ny ECAT Taratra. Ity andiany ity, izay nisalotra ny anarana hoe « KINTANA », dia vonona tanteraka ankehitriny hiditra eo amin’ny sehatry ny asa sy handray anjara mivantana amin’ny fampandrosoana ny faritra.
💻 Ity hetsika ity dia hery lehibe maneho ny lanjan’ny fanofanana arak’asa sy ny fampivelarana ny fahaiza-manaon’ny tanora eo amin’ny sehatry ny teknolojia vaovao, izay fanoitra tsy ratsaka amin’ny asa fanarenana ny firenena.
👥 Tonga nanotrona sy nankahery ireto tanora ireto ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana eto Vakinankaratra, Ramatoa Tantely Rajaonarivony, izay sady reny mpiahy ity andiany KINTANA ity. Natrehin’ireo manam-pahefana sy tomponandraikitra isan-tsokajiny ao an-toerana ihany koa ny fotoana.
Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nampitany ny teny feno tandroka ho an’ireo mpianatra nivoaka:
« Ry zanako, aoka ny fahalalanareo hiaraka amin’ny fahendrena, ny fahamendrehana ary ny fifanajana. Tsy misy dikany ny fahaizana raha entina hireharehana sy hanambaniana ny hafa. Ny fahaizana no mampisongadina, fa ny toetra tsara no maha-olona mendrika. »