Notanterahina tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Andovoranto ny fivoriana isam-bolana niarahan’ireo Ben’ny Tanàna miisa 18 ao amin’ny Distrikan’i Brickaville, niarahana tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana sy lehiben’ny sampandraharaha ao an-toerana.
Nandritra izany no nanazavan’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Atsinanana Rtoa Blandine Voizy, ny momba ny Fikaonandoham-pirenena. Nohamafisiny fa tarihin’ny FFKM izany ary misokatra ho an’ny olom-pirenena rehetra, mba handray anjara amin’ny fanorenana ny hoavin’i Madagasikara.