Nisy ny fanatrehana sy fanohanana ny fifaninanana baolina kitra karakarain’ny Fokontany Tanambao Sotema, natokana ho an’ny Tanora.
Nanatrika izany ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Boeny, Atoa Razafindrakoto Tojo Harinala, izay maneho hatrany ny fanohanana ny hetsika mampiroborobo ny Tanora sy mampanjaka ny firaisankina.
Amin’ny alalan’ny fanatanjahantena, dia ampirisihina ny Tanora hifanaja, hifandray ary hiara-hientana amin’ny fananganana fiarahamonina mirindra.