🗓️ 01 Oktobra 2026
📍 Fokontany Ambanivohitra Anamakia – Faritra Diana
🇲🇬 Fidinana ifotony tao amin’ny Fokontany Anamakia
Naneho fahavononana sy fahavitriana ny mponina tao amin’ny Fokontany Ambanivohitra Anamakia, Faritra Diana, nandritra ny fitsidihana sy fanentanana nataon’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Fanavaozana (MCR) izay mamita iraka manokana any an-toerana sy ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana DIANA Atoa Andriamberomanga Merthon Simon.
Nifantoka tamin’ny fampahafantarana ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana sy ny andraikiny ny fihaonana, ary indrindra ny fanentanana ny vahoaka handray anjara mavitrika amin’ny Fikaonandoham-pirenena, amin’ny alalan’ny fanehoana ny hetaheta, ny soso-kevitra ary ny laharam-pahamehana eny ifotony.
🤝 Naneho fahavononana handray anjara amin’izany dingana izany ny mponina, ho fandraisana anjara amin’ny Fanavaozana iombonana .