Ministère Chargé de la Refondation
Ministère Chargé de la Refondation
Nihaona tamin’ny Minisitra Misahana ny Fanavoazana Maître Hanitra Razafimanantsoa teny Antaninarenina androany ny Filohan’ny Vaomieran’ny Raharaham-bahiny ao amin’ny Antenimierampirenena Frantsay Atoa Bruno FUCHS sady solombavambahoaka voafidy tao Haut Rhin izay mamita iraka eto Madagasikara. Nifantoka tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’i Frantsa sy Madagasikara ny fifanakalozana teo amin’ny toa tonta
.🗣️ Nohazavain’ny Minisitra nandritra ny fihaonana tamin’ny antsipiriany ny dingana sy vina entin’ny Fanavaozana, indrindra ny:🔹 Fikaonandoham-pirenena sy ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena;🔹 Fanavaozana ny rafi-pifidianana sy fanomanana fifidianana;🔹 Fanavaozana ny rafi-panjakana sy ny andrim-panjakana;🔹 Fanamafisana ny fitantanana mangarahara ary ny ady amin’ny kolikoly.
🎯 Nasongadina manokana ihany koa ny vina maharitra amin’ny fametrahana “Rafitra iray izay hanara-maso ny fanatanterahana ireo tolokevitra sy ireo dingana vita ho amin’ny Fanavaozana – Gardien des acquis de la Refondation”, izay natao hiantohana fa voatahiry sy tohizana ireo vokatra sy soatoavina azo avy amin’ny Fanavaozana. 🏛️ Ny tanjona lavitr’ezaka dia ny fananganana Repoblika tsara tantana, fananana rafi-panjakana matanjaka, hanjakan’ny mangarahara ary lavitry ny kolikoly. 🤝 Noresahana ihany koa ny fandraisan’anjaran’i Frantsa amin’ny fanohanana ny fizotry ny fifidianana, anisan’izany ny fandraisana anjara tao anatin’ny Basket Fund, ary ny fanohanana mifandraika amin’ny fizotry ny Fikaonandoham-pirenena. 📌 Nohazavaina fa ny FFKM no mitarika ny fikaonandoham-pirenena ary ny fanomanana sy ny fakankevitra rehetra no hamolavolana ilay Document National d’Orientation de la Refondation (DONOR) .