FANATSARANA NY FAMATSIANA HERINARATRA SY FANKALAZANA NY FAHA-50 TAONAN’NY JIRAMA

📅 25 Septambra 2026
📍 Ankily – Distrikan’Ihosy, Faritra Ihorombe
Efa nihatsara tanteraka ny famatsiana herinaratra ao Ihosy sy ny manodidina, taorian’ny nametrahana vata- mpamokatra herinaratra roa tao anatin’ny herintaona, ho fanatsarana ny famatsiana herinaratra ho an’ny mponina.
🎉 Nankalazaina androany tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankily, Distrikan’Ihosy, ny faha-50 taonan’ny JIRAMA ho an’ny Faritra Ihorombe.
🏅 Nandritra ny lanonana dia mpiasa 13 no notolorana mari-boninahitra sy mari-pankasitrahana. Ny roa tamin’izy ireo kosa no nanaovana veloma noho ny fisotroan-dronono, taorian’ny taona
maro niasana sy nandray anjara tamin’ny fampandehanana ny orinasa.
🤝 Nanotrona ny lanonana ireo manampahefana sivily sy miaramila ao an-toerana. Nanatrika sy namaly ny fanasana ihany koa ny solontenan’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana, nahitana Tale, Talem-paritra ary mpikambana ao amin’ny Kabinetra.