FANAOVAN-TSONIA FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA MOMBA NY RANOMASINA HO RANO FISOTRO
Notanterahina tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Jiangsu Bangtec Huachuang Sci-Tech Co., Ltd sy ny Fitondram-panjakana malagasy, momba ny fanodinana ranomasina ho rano fisotro madio, indrindra ho an’ny Faritra Atsimo.
Nanome voninahitra ny lanonana ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ary ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Fitondram-panjakana.
Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa fanodinana ranomasina ho rano fisotro madio any Ambovombe, izay mikendry ny hanatsara ny fahazoan’ny mponina rano sy hampiroborobo ny fampandrosoana maharitra.
Fiaraha-miasa iray manan-danja ho fanamafisana ny fahazoan’ny Vahoaka rano fisotro madio sy ho fanatsarana ny fari-piainana.