Ministère Chargé de la Refondation
Ministère Chargé de la Refondation
ENAM Androhibe: Fihaonambe momba ny Tetibola ho an'ny Faritra Analamanga
31 Aogositra 2026
ENAM Androhibe
𝐅𝐈𝐇𝐀𝐎𝐍𝐀𝐌𝐁𝐄 𝐌𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐍𝐘 𝐓𝐄𝐓𝐈𝐁𝐎𝐋𝐀 𝐇𝐎 𝐀𝐍’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐆𝐀
Tontosa androany Any Fihaonambe momba ny Tetibola ho an’ny Faritra Analamanga, tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny Lalàna mifehy ny Tetibola (LFI) 2027, izay tanterahina any amin’ireo Faritra mba hampifanaraka ny fandaharanasa sy ny fampiasam-bolam-panjakana amin’ny zava-misy sy ny filàna eny ifotony.
Nandritra izany dia nisy ny:
Fifampidinihana sy laharam-pahamehana
Nifantoka tamin’ny fifampidinihana teo amin’ireo sampandraharaham-panjakana, ny sehatra tsy miankina, ireo mpisehatra eny an-toerana ary ny mpiara-miombon’antoka ny fihaonana. Nomena lanja manokana ny famantarana ireo filàna sy laharam-pahamehan’ny Faritra, mba hahafahana mamolavola drafitra sy tetibola tena mifanaraka amin’ny zava-misy.
Fandrafetana sy fitsinjarana ny tetibola
Notsindriana ny maha-zava-dehibe ny fandrindrana ny fampiasam-bola sy ny fitsinjarana ny fandaniana ho an’ny daholobe araka ny filàn’ny Faritra sy ny Kaominina. Ilaina ihany koa ny fametrahana programam-piasana mazava sy azo tsapain-tanana, ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra eny an-toerana.
Laharam-pahamehana ho an’ny fampandrosoana
Anisan’ireo teboka nasongadina:
Fanohanana ny sehatra tsy miankina sy ny fampandrosoana ara-toekarena;
Fanatsarana ny fotodrafitrasa, indrindra ireo Lalam-pirenena;
Fanatsarana ny kalitaon’ny angovo;
Fanohanana ny fambolena, indrindra ny fanamboarana sy fanarenana ny lakandrano;
Fanomezana fitaovana ireo sampandraharaham-panjakana eny ifotony, izay mbola maro no tsy ampy na mampiasa fitaovana efa tranainy;
Fametrahana drafitra fampandrosoana mifanaraka amin’ny filàn’ny Faritra sy ny Kaominina.
Fahataran’ny tetikasa sy fahasimbana ara-toekarena
Notsindriana fa miteraka fatiantoka lehibe ho an’ny toekarena ny fahasimban’ny lalana. Tombanana ho mahatratra 2% amin’ny harinkarena faobe (PIB), izany hoe manodidina ny 320 tapitrisa dolara isan-taona, ny fatiantoka aterak’izany eto Madagasikara.
Nohamafisina ihany koa fa mila vahana ny fahasarotan’ny dingana ara-pitantanana, satria ny fahataran’ny tetikasa sy ny fifanarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka dia mety hiteraka fatiantoka sy hanemotra ny vokatra andrasana.
Fiaraha-miasa sy fifampidinihana
Ezahina ny hampiroboroboana ny tetikasa iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka, amin’ny alalan’ny fifampidinihana eny anivon’ny Faritra sy ny famaritana mazava ireo laharam-pahamehana. Tanjona ny hahatonga ny tetikasa ho azo tsapain-tanana sy tena mamaly ny filàn’ny mponina.
FANOLORANA NY TALEMPARITRY NY TETIBOLA ANALAMANGA
Nandritra ity fotoana ity ihany koa no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy an’i Atoa Ravelomananjato Severin, Talem-paritry ny Tetibola ao amin’ny Faritra Analamanga, izay hiandraikitra ny fanamafisana ny fandrindrana sy ny fitantanana ny raharaha momba ny tetibola eny anivon’ny Faritra.
Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny Fihaonambe ny Minisitry ny Vola sy ny Tetibola, Dr Herinjatovo Aimé Ramiarison, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fanavaozana izay sady mpiahy ny Faritra Analamanga, Me Hanitra Razafimanantsoa, ary ny Minisitry ny Indostria sy ny Fampivelarana ny Sehatra Tsy Miankina, Atoa Raharimanjato Ny Riana Nampoina.
Tanjona lehibe: Hametraka tetibola mifototra amin’ny zava-misy eny ifotony, mangarahara, mifanaraka amin’ny laharam-pahamehan’ny Faritra ary mitondra vokatra azo tsapain-tanana ho an’ny vahoaka.