Ministère Chargé de la Refondation
Ministère Chargé de la Refondation
18 Aogositra 2026-Antaninarenina
Nandray ny Ambasadoraon’ny Repoblikan’ny Torkia, Rtoa Halime Ebru Demircan, ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana, Maître Hanitra Razafimanantsoa.
Votoatin’ny dinika : sehatry ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fizotry ny Fanavaozana eto Madagasikara.
Fifampizarana : fifanakalozana traikefa momba ny demokrasia sy ny fifidianana.
Nizara ny traikefan’i Torkia ny Ambasadaoro, indrindra momba ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fifidianana, izay nambarany fa anisan’ny mampiavaka ny rafitra demokratika ao amin’ny fireneny.
Taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana any Torkia : 90%.
Fifandraisana Torkia sy Madagasikara: nanomboka ny taona 1960, miorina amin’ny fisakaizana maharitra sy ny fifampitokisana.
Minisitra misahana ny Fanavaozana: fanazavana ireo dingana hitondra amin’ny fanavaozana mifototra mifototra amin’ny finiavana politika.
Lalantsaina hitondrana ny Fanavaozana: tsy fiandaniana, fitandroana ny fitoniana sy ny fitohizan’ny asan’ireo andrim-panjakana.
Nifampizarana hevitra ihany koa ny momba ny fifidianana, ny fanamafisana ny rafitra demokratika, ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny asa, ary ny fametrahana vina maharitra ho an’i Madagasikara.
Tamin’ity fihaonana ity dia naneho ny fahavononany hanohy hanohana sy hiara-hiasa amin’i Madagasikara i Torkia, indrindra amin’ny alalan’ny fifanakalozana traikefa sy torohevitra momba ny demokrasia sy ny fifidianana, ary ny fanamafisana hatrany ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta.