Atrikasa fanorenana ny Vondrona Ara-panatanjahantena ho an’ireo Olona Manana Fahasembanana ao amin’ny Faritra Ihorombe
07 Aogositra 2026-Faritra Ihorombe
Ny 07 Aogositra 2026 dia niatrika ny atrikasa fanorenana ny Vondrona Ara-panatanjahantena ho an’ireo Olona Manana Fahasembanana ao amin’ny Faritra Ihorombe ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Ihorombe Atoa Randriampilamanana.
Nanararaotana tamin’ izany ny nanentanana ireo mpandray anjara handray anjara mavitrika amin’ny Fikaonandoham-pirenena isan’ambaratongany, ary namporisihina ihany koa izy ireo ho mpitondra hafatry ny Fanavaozana eny anivon’ny fiarahamonina.
Hita fa efa liana sy miandrandra ny fanombohan’ny Fikaonandoha ireo mpandray anjara, ka vonona ny handray anjara amin’izany.