MCR
Ministère Chargé de la Refondation
MCR
Ministère Chargé de la Refondation
π ππππ πππππ ππππ ππππππππ πππ ππ πππππππππ ππ ππβππ π ππππππππππππ-ππππππππ
Notanterahinβny FFKM Vakinankaratra, ny Alatsinainy 07 sy Talata 08 Septambra 2026, ny fanofanana ireo mpampiofana ho mpanamora sy mpanelanelana, ho fanomanana ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena eny ifotony.
Β
Nandritra ny fotoam-panokafana dia nandray anjara taminβny fanentanana ireo mpiofana ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Vakinankaratra, Ramatoa Tantely RAJAONARIVONY.
Β
Nohamafisiny ny maha-zava-dehibe ny fandraisana andraikitra am-pahatsorana, am-panetren-tena ary ho tombontsoanβny firenena sy ny taranaka fara-mandimby. Nanazava ihany koa izy ny fizotry ny Fikaonandoham-pirenena ary nanome fanampiana ara-pitaovana hoenti-manatanteraka ny fiofanana.
Β
Nandritra ny roa andro dia nampitaina ireo paikady sy teknika enti-manatanteraka ny dinika eny ifotony, ary nohazavaina ireo lohahevitra 12 iorenanβny Fikaonandoham-pirenena, ka lohahevitra 10 no hifantohana eto Vakinankaratra ary 2 no natokana ho anβny sehatra nasionaly.
Β
Ny Talata 08 Septambra kosa dia nifantohana taminβny fandrafetana ny tetibola sy ny drafitra fanatanterahana ny dinika ao Vakinankaratra.
Β
Nahatratra 104 ireo mpiofana nandray anjara taminβity fiofanana ity, izay vonona hiantsoroka ny andraikiny aminβny fanatanterahana ny dinika eny ifotony.