𝐅𝐈𝐓𝐒𝐈𝐃𝐈𝐇𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐀𝐍𝐀𝐊𝐀𝐋𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀 𝐌𝐎𝐌𝐁𝐀 𝐍𝐘 𝐅𝐈𝐅𝐈𝐃𝐈𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 𝐒𝐘 𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐕𝐀𝐎𝐙𝐀𝐍𝐀
25 Aogositra 2026-Antaninarenina
Nisy ny fitsidihana sy fifanakalozana niarahana tamin-dRtoa Anja Heuft, Mpandrindra eo anivon’ny GIZ, misahana ny fanohanana ny fitantanana ifotony, ny fiarahamonim-pirenena ary ny fitsinjaram-pahefana sy ny ekipan’ny Minisitera Misahana ny Fanavaozana notarihin’ny Tale jeneralin’ny Fandrindrana ny Fanavaozana Atoa Ralevason Hary Tiana.
Nifantoka tamin’ny raharaham-pifidianana ao anatin’ny dingan’ny Fanavaozana ny dinika sy fifampizarana traikefa momba ny rafitra Federaly ny fihaonana, ka noresahina ny mety ho fanohanana ara-teknika sy fifanakalozana traikefa avy amin’ny Firenena Alemaina
ho fanohanana izany dingana izany.
Nohazavaina fa efa nisy ihany koa ny toromarika avy amin’ny Masoivoho Alemaina mba hanohanana ny dingan’ny Fanavaozana sy ny fifidianana eto Madagasikara
.
Noresahana ihany koa ny rafitra federaly sy ny fitantanana ifotony, ka hisy manam-pahaizana Allemand roa ho tonga eto Madagasikara manomboka ny 25 Septambra 2026, hizara traikefa sy fifanakalozana momba ny rafitra federaly.
Tanjona: Fifanakalozana traikefa, fiaraha-miasa ary fahaiza-manao avy amin’ny Firenena Alemaina ho fanohanana ny Fanavaozana
