๐…๐€๐๐€๐Œ๐๐ˆ๐€๐๐€ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐“๐‘๐€๐๐Ž๐ˆ๐๐€ ๐๐Ž๐‡๐Ž ๐๐˜ ๐‡๐€๐ˆ๐-๐“๐‘๐€๐๐Ž

Trano maherinโ€™ny 300 no kila taminโ€™ny hain-trano tao aminโ€™ny Fokontany Andranomavo, Kaominina Vatana, Distrikanโ€™i Manakara, ka fianakaviana maro no very fananana sy fialofana.ย 
ย 
Vao nahare ny zava-nitranga ny Fitondram-panjakana dia nandray andraikitra avy hatrany, ka nitondra fanampiana ara-tsakafo, kojakoja ilaina andavanandro , tafo fanitso ho anโ€™ireo fianakaviana traboina.
ย 
Tonga teny an-toerana ireo solontenanโ€™ny Governemanta, notarihinโ€™ny Minisitry ny Mponina sy Firaisankina, Ramatoa RAKOTONIAINA Voahanginirina Cathia, ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana Maรฎtre Hanitra Razafimananantsoa niaraka taminโ€™ireo manampahefana tao an-toerana, naneho firaisankina sy fiaraha-miory aminโ€™ireo niharam-boina.
ย 
Ity fandraisana andraikitra ity dia maneho ny fahavononanโ€™ny Fanjakana hijoro hatrany eo anilanโ€™ny vahoaka, indrindra aminโ€™ny fotoan-tsarotra tahaka izao.