MCR
Ministère Chargé de la Refondation
MCR
Ministère Chargé de la Refondation
Fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny Fizahantany tao Analanjirofo : nisongadina ny teknolojia sy ny AI
Tontosa tamin’ny fomba ofisialy androany 16 Oktobra 2026 ny fankalazana rezionaly ny Andro Maneran-tany ho an’ny Fizahantany (WTD 2026) ho an’ny Faritra Analanjirofo.
Ny Fitaleavam-paritry ny Fizahantany sy ny Asa tanana no nikarakara ny hetsika, niarahana nientana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra ao aminy.
Ho an’ity taona ity, nifantoka tamin’ny lohahevitra hoe: « Le numérique et l’intelligence artificielle pour repenser le tourisme » (Ny teknolojia nomerika sy ny faharanitan-tsaina artifisialy ho entina manova sy mandrafitra ny fizahantany) ny fampiraisan-tsaina.
Tonga nanome voninahitra sy nanotrona izany tamin’ny fomba ofisialy ny Talem-paritry ny Fanavaozana eto Analanjirofo.
Dingana lehibe izao ho fampiroboroboana ny fizahantany entin’ny teknolojia vaovao eto amin’ny faritra.