Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Vatovavy : Manohy ny fanentanana momba ny Fikaonandoha eny ifotony

🗓Zoma 31 Jolay 2026📍 Faritra Vatovavy
 
📝Nanararaotra ny fampivondronana ireo Ben’ny Tanàna miisa 64 avy amin’ny Faritra Vatovavy, ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana Vatovavy mba hanazavana ny fizotry ny Fikaonandoha Ifotony.
☑️Nohamafisin’ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Atoa Fridolin Caleb tamin’izany fa ny FFKM no mitarika ny Fikaonandoha Ifotony, ary ny anjara andraikitry ny Minisiteran’ny Fanavaozana kosa dia ny fanomezana fanohanana ara-teknika sy ara-pitaovana.
🎥 Hita fa liana sy nandray anjara mavitrika ireo Ben’ny Tanàna avy amin’ny Distrikan’i Mananjary, Ifanadiana ary Nosy Varika.