Minisitera misahana ny Fanavaozana : manohana ireo tanora mpamorona manana tetikasam-pampandrosoana

Anisan’ny laharam-pahamehan’ny fitondrana Fanavaozana ny fanohanana ny tanora amin’ny fanomezan-danja ny fahazai-manaony mba handraisan’izy ireo handray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny Firenena. Ny Fanavaozana ihany koa dia tsy mijanona amin’ny fanovana rafitra ihany fa mitaky fomba fisainana vaovao sy fomba fiasa mahomby kokoa mifanaraka amin’ny filàn’ny vahoaka.

Noho ireo antony roa ireo dia naneho ny fahavonanan’ny Minisitera misahana ny Fanavaozana hanohana ireo tanora malagasy namorona ny “Mpianatra” izay vahaolana nomerika entina hanatsarana sy hanamorana ny fitantanana ny sekoly eto Madagasikara.

Natao hanampiana ny sekoly ambaratonga fototra, ambaratonga faharoa ary lisea amin’ny fitantanana ny asany amin’ny raharaha ara-pitantanana ny antontan-taratasin’ny mpianatra, ny naoty, ny tsy fahatongavana ary ny fandoavam-bola, hanatsarana ny fampianarana ary hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny sekoly sy ny ray aman-dreny.

Ny Minisitera misahana ny Fanavaozana dia vonona hanohana ireo tanora ireo amin’ny alalan’ny fanamorana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa amin’ireo minisitera voakasika toy ny Minisiteran’ny Fampandrosoana ny Teknolojia Nomerika, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (MEN), ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony syn y Fikarohana Ara-Siansa (MESUPRES) ary ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa. (METFP) mha hahafahana mandinika ny tetikasa, mamantatra ny filàna ary mandrindra ny fiaraha-miasa.