Ministère Chargé de la Refondation
Ministère Chargé de la Refondation
Fanavaozana ny Firenena: nidina ifotony nampafantatra ny Fikaonandoham-pirenena tany Betsizaraina Mahanoro ny Fitaleavam-paritra
Nitohy tany amin’ny Kaominina Betsizaraina, Distrikan’i Mahanoro, Faritra Atsinanana ny hetsika fidinana ifotony nataon’ny mpiara-miasa avy ao amin’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana ny faha-15 Oktobra 2026 lasa teo. Fitsidihana izay nifantoka indrindra tamin’ny fanentanana sy fampahafantarana ny momba ny Fikaonandoham-pirenena ho avy.
Fihaonana tamin’ireo hery velona eny ifotony
Mba hisian’ny fampitana vaovao mahomby dia nihaona mivantana ireo iraky ny Fitaleavam-paritra sy ireo mpitarika mpanatanteraka ao an-toerana.
Nanatrika izany fotoana izany ny Ben’ny Tanàna sy ny lefiny, ireo Sefom-pokontany miisa 10 mandrafitra ny kaominina manontolo, ary ireo Filohan’ny tanora rehetra ao Betsizaraina.
Satria mbola Minisitera vao natsangana ny Minisitera misahana ny Fanavaozana, nentina teo anatrehan’ireo mpandray anjara ny fanazavana feno momba ny vinany, ny iraka ampanaovina azy, ary ny andraikitra lehibe sahaniny eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny fiarahamonina.
- Fandresen-dahatra ny vahoaka : Nentanina ireo mpitarika mba handray ny andraikitra manandrify azy, hitarika sy handresy lahatra ny mponina any amin’ny fokontany tsirairay mba handray anjara mavitrika amin’ny hetsika.
- Ny Fikaonandoham-pirenena tarihin’ny FFKM: Nohamafisina fa dingana iray lehibe, manan-tantara, ary tsy azo ialana ao anatin’ny dingan’ny Fanavaozana ny firenena ity sehatra fifanakalozana hotarihin’ny Fiandrianan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara ity.
- Dinam-piaraha-monina sy tamberin’andraikitra : Voaresaka ihany koa ny fitsinjovana ny lafiny ara-moraly, ny fifanajàna eo amin’ny fiaraha-monina, ary ny fampiharana ny tamberin’andraikitra isan-tokony mba hamerenana ny fahatokisana eo amin’ny mpitondra sy ny entina.