MCR
Ministère Chargé de la Refondation
MCR
Ministère Chargé de la Refondation
Atrikasa hametrahana paikady momban’ny fiantohana ara-pahasalamanan'ny sakafo
📅 12 Oktobra 2026
📍 Ivontoeran’ny Varotra sy ny Indostria Itasy (CCI) – Miarinarivo
📍 Ivontoeran’ny Varotra sy ny Indostria Itasy (CCI) – Miarinarivo
Hisorohana sy hanafoanana tanteraka ny aretina ary ny fanapoizinana vokatry ny fihinanana sakafo tsy ara-dalàna na tsy voakarakara araka ny tokony ho izy. Izany no tanjona lehibe napetraka nandritra ny atrikasa goavana momba ny fiantohana ara-pahasalamana ara-tsakafo (sécurité sanitaire des aliments), izay notanterahina ny alatsinainy 12 Oktobra 2026 tao amin’ny Ivontoeran’ny Varotra sy ny Indostria (CCI) Itasy.
🍽️ Nandritra ity fotoana ity, nivondrona sy nifanakalo hevitra mivantana ireo mpiantsehatra samihafa voakasiky ny sehatry ny famokarana, ny fanodinana, ary ny fivarotana sakafo ao amin’ny Faritra. Ny tanjona dia ny hamolavola paikady matandritra sy maharitra entina miaro ny fahasalaman’ny mpanjifa sy misoroka ny loza ara-pahasalamana rehetra eny anivon’ny fiarahamonina.
👥 Fiaraha-mientana sy andraikitra iombonana
Naneho fahavononana tanteraka ireo mpandray anjara rehetra hampihatra sy hampiely ny fehin-kevitra ary ny fomba fiasa tsara (bonnes pratiques) nivoaka tamin’ny atrikasa. Tanjona ny hahatonga izany ho fantatry ny besinimaro sy hampiharina isan’andro amin’ny sehatra rehetra manerana ny Faritra Itasy.
🤝 Ny fandraisana anjaran’ny Fitondrana Fanavaozana
Nandray anjara mivantana tamin’ity atrikasa ity ny solontenan’ny Fitaleavam-paritra misahana ny Fanavaozana ao Itasy. Izao fandraisana anjara izao dia tafiditra indrindra ao anatin’ny ezaka iombonana ho fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka, ny fiovan’ny toe-tsaina eo amin’ny fitandrovana ny fahadiovana, ary ny fanatsarana ny fomba fiasa eny ifotony mba ho tombontsoan’ny mponina rehetra.