FITANTANANA NY TONTOLO IAINANA: MIROSO AMIN'NY ATRIKASA HO AN'NY FARITRA AROVANA "TAPIA" NY FARITRA ITASY

Miroso amin’ny dingana lalindalina kokoa amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny Faritra Itasy. Nandeha tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa fampiofanana sy fampitana andraikitra ho an’ireo mpikambana ao amin’ny Komity Mpanome Toromarika sy Mpanombana (Comité d’Orientation et d’Évaluation – COE). Anisan’ny mandray anjara mivantana amin’izany ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Itasy, Rtoa Sitraka Onitiana Ranarivao.
 
🌿 Ity hetsika ity dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny tetikasa fitantanana ny « Tapia Faritra Arovana » any amin’ny Kaominina Arivonimamo II sy Miarinarivo II. Ao anatin’ny lalan-tsain’ny Fitondrana Fanavaozana tanteraka ny hametraka ho lova lovainjafy ho an’ny taranaka fara mandimby ny harem-pirenena toy izao.
 
📐 Ny velaran-tany voakasika amin’izany :
  • 1 371 hektara (ha) ao amin’ny Kaominina Arivonimamo II.
  • 625 hektara (ha) ao amin’ny Kaominina Miarinarivo II.
🔎 Inona no dikan’izao eo amin’ny fitantanana ?

Ny COE no rantsana manana andraikitra ambony amin’ny fanaraha-maso akaiky ny fanatanterahana ny asa rehetra eny anivon’ireo faritra arovana ireo. Tsy havela ho an’ny any ambony latabatra fotsiny ny fitantanana, fa ampandraisana anjara mivantana sy omena andraikitra feno ny Vondron’olona Ifotony (VOI).
 
⚖️ Ny tanjona fototra :
Ny hampifandanja am-pahendrena ny fiarovana ny tontolo iainana (ny ala Tapia) sy ny famaliana ny filàn’ny mponina eny ifotony, mba ho fampandrosoana miara-mandroso sy maharitra.