Ministère Chargé de la Refondation
Ministère Chargé de la Refondation
FANOMPOAM-PIVAVAHANA : « FANAVAOZANA, HITONDRA FAHAFAHANA, HITONDRA OLOM-BAOVAO HO AN'I MADAGASIKARA »
🔴 FANOMPOAM-PIVAVAHANA | ANTSOHIHY
📅 13 Oktobra 2026
📍 Paroasy Saint Paul – Antsohihy, Faritra Sofia
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy teto Antsohihy ny fankalazana ny « Fetin’ny Fahafahana« .
Ity hetsika ity dia entina hanamarihana ny faha-1 taon’ny dingana vaovao teo amin’ny fiainam-pirenena ao anatin’ny Fanavaozana.
Ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana teo anivon’ny Paroasy Saint Paul no nanombohan’ny fandaharam-potoana rehetra, nitondrana am-bavaka ny firenena sy ny hoavin’ny vahoaka malagasy.
Ireo olom-panjakana nanome voninahitra ny fotoana:
Tonga niara-niombom-bavaka teto Antsohihy ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Randrianirina Michaël, niaraka tamin’ireo Mpanolotsaina Avo, ny Jeneraly Rabearimanana Lucien sy ny Kolonely Rampanarivo Thierry.
Nanotrona izany koa ny Filohan’ny Antenimierampirenena, ireo mpikambana maromaro eo anivon’ny Governemanta, anisan’izany ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa, ary ireo olom-panjakana ambony sivily sy miaramila ao amin’ny Faritra Sofia.
Ny tohiny amin’ny fandaharam-potoana :
Tafiditra ao anatin’ity fankalazana ny Fahafahana ity ny fitokanana fotodrafitrasa samihafa (efitranon-tsekoly sy Mozea), ny fitsidihana ny trano fonenan’ny Filoha Philibert Tsiranana, ary hofaranana amin’ny matso lehibe hotanterahina eo amin’ny seranam-piaramanidin’Antsohihy ny alarobia 14 Oktobra izao.