Mananjary | 08 Oktobra 2026
🀝 π…π’π‘πšπ¨π§πšπ§πš 𝐑𝐨 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐦𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐭𝐚𝐧𝐭𝐞𝐫𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐀𝐚𝐧-𝐀𝐞𝐯𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐒𝐫𝐞𝐨 π‘πšπ’πšπ¦πšπ§ππ«πžπ§π² 𝐚𝐫𝐚-ππ‘πšπ³πšπ§πš
➑Nisy ny fihaonana tamin’ny FCRTM ho fanomanana ny fanatanterahana ny fakan-kevitra amin’ireo Raiamandreny ara-drazana (RAR) ao amin’ny Distrikan’i Mananjary, izay nataon’ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Atoa Fridolin Caleb.
πŸ—£οΈ Ity dingana ity dia tafiditra ao anatin’ny fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena ara-drazana izay hotanterahina ao Ihosy, ka kendrena ny hisian’ny fandrindrana sy fiomanana mirindra amin’ireo mpisehatra rehetra.
# MCR # Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena