๐…๐€๐‡๐€๐’๐€๐‹๐€๐Œ๐€๐Œ-๐๐€๐‡๐Ž๐€๐Š๐€ : ๐๐Ž๐’๐Ž๐Š๐€๐…๐€๐๐€ ๐“๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐…๐Ž๐Œ๐๐€ ๐Ž๐…๐ˆ๐’๐ˆ๐€๐‹๐˜ ๐๐˜ ๐…๐€๐๐„๐๐“๐€๐๐€๐๐€ ๐’๐˜ ๐…๐€๐๐€๐Ž๐•๐€๐Œ-๐๐€๐Š๐’๐ˆ๐๐˜ ๐‡๐ˆ๐€๐ƒ๐ˆ๐€๐๐€ ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐‹๐„๐…๐€๐Š๐Ž๐™๐€๐“๐‘๐€ ๐’๐˜ ๐๐˜ ๐Š๐ˆ๐“๐‘๐Ž๐“๐‘๐Ž

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’’๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-05 ๐’๐’Œ๐’•๐’๐’ƒ๐’“๐’‚ 2026]
Ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, no nanokatra taminโ€™ny fomba ofisialy androany, tetsy Anosisoa Ambohimanarina Antananarivo, ny fanentanana sy fanaovam-baksiny hiadiana aminโ€™ny lefakozatra sy ny kitrotro, miaraka aminโ€™ny fizarana Vitamine A ho anโ€™ny ankizy.
Nandritra ny lanonana dia samy nanasongadina ny maha-zava-dehibe ny fanaovam-baksiny, ny fisorohana ny aretina ary ny fiarovana ny fahasalamanโ€™ny zaza ireo tomponโ€™andraikim-panjakana sy ireo mpiara-miombonโ€™antoka, anisanโ€™izany ny UNICEF, ny OMS ary ny Firenena Amerikana.
Nohamafisinโ€™ny Praiminisitra fa manana andraikitra lehibe aminโ€™ny fiarovana ny ainโ€™ny Malagasy ny mpiasanโ€™ny fahasalamana. Nambarany fa ยซ miaramila miaro ny Malagasy ihany koa ny mpiasanโ€™ny fahasalamana ยป, noho ny asa ataonโ€™izy ireo eny ifotony aminโ€™ny fisorohana ny aretina, ny fanaovam-baksiny ary ny fandraisana an-tanana ny fahasalamanโ€™ny mponina.
Naneho fankasitrahana ireo mpiara-miombonโ€™antoka manohana hatrany ny sehatry ny fahasalamana ihany koa ny Praiminisitra. Nambarany fa hampitomboina ny ezaka sy ny loharanom-bola atokana ho anโ€™ny fahasalamam-bahoaka, ho fanamafisana ny fisorohana sy ho fanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana ho anโ€™ny vahoaka.
Ny hetsika tahaka izao dia maneho asa mivaingana sy akaiky ny vahoaka, izay miaro mivantana ny fahasalamana sy ny tombontsoanโ€™ny Malagasy.
Tao anatinโ€™ity fotoana ity ihany koa no nanaovana ny fanolorana fiara fitondrana marary, ho fanamafisana ny fitaovana enti-miasa sy ny fahafaha-mandray an-tanana ireo marary eny anivonโ€™ny tobim-pahasalamana.
Nisy ihany koa ny fanolorana amboara sy mari-pankasitrahana ho anโ€™ireo Fokontany mendrika indrindra aminโ€™ny fanaovam-baksiny, ireo CSB naneho fahavitrihana sy nahavita ezaka, ary ireo renim-pianakaviana mendrika, ho fankasitrahana ny fandraisanโ€™izy ireo anjara aminโ€™ny fiarovana ny fahasalamanโ€™ny ankizy.
Ity fanentanana ity dia mifantoka aminโ€™ny fanaovam-baksiny hiadiana aminโ€™ny lefakozatra sy ny kitrotro, miaraka aminโ€™ny fizarana Vitamine A, ho fanamafisana ny fisorohana ny aretina sy ny fiarovana ny fahasalamanโ€™ny ankizy Malagasy.
Fiarovana ny zaza, fiarovana ny hoavinโ€™ny Firenena.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ