π…πšπ§πžπ§π­πšπ§πšπ§πš 𝐧𝐲 𝐯𝐚𝐑𝐨𝐚𝐀𝐚 𝐑𝐚𝐧𝐝𝐫𝐚𝐲 𝐚𝐧𝐣𝐚𝐫𝐚 𝐚𝐦𝐒𝐧'𝐧𝐲 π…π’π€πšπ¨π§πšπ§ππ¨π‘πšπ¦-𝐩𝐒𝐫𝐞𝐧𝐞𝐧𝐚

29 Jolay 2026πŸ“ Kaominina Ambanivohitra Anjeky Ankilinkira – Faritra Androy
Β 
πŸ“Nanohy ny fidinana ifotony ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana (DRR) Androy Atoa Miha Jaonasitera, niaraka tamin’ny ekipan’ny Faritra Androy, ny Alarobia 29 Jolay 2026. Tany amin’ny Kaominina Ambanivohitra Anjeky Ankilinkira no nanatanterahana ny fanentanana, mba hamporisihana ny vahoaka handray anjara mavitrika amin’ny Fikaonandoham-pirenena eny anivon’ny Fokontany.
πŸ“£Nohamafisina nandritra izany fa ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena no fototra hahafahana manangona ny hetahetan’ny mponina sy manorina vahaolana iaraha-misafidy ho fampandrosoana maharitra.πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‡²πŸ‡¬πŸ‡²πŸ‡¬