π…πˆπ•πŽπ‘πˆπ€ππ€ πˆπ’π€πŒ-ππŽπ‹π€πβ€™ππ˜ π’π€πŒππ€π-𝐃𝐑𝐀𝐇𝐀𝐑𝐀𝐇𝐀 π“π„πŠππˆπŠπ€ π…πŽπˆππ„ (𝐒𝐓𝐃) – πƒπˆπ’π“π‘πˆπŠπ€πβ€™π€πŒππ€π‹π€π•π€πŽ

➑ Notanterahina tao amin’ny Kaominina Anjoma,Distrikan’Ambalavao, ny fivoriana niarahan’ireo Sampan-draharaha Teknika Foibe (STD), izay notronin’ireo Ben’ny TanΓ na avy amin’ireo Kaominina ao amin’ny Distrikan’Ambalavao.

➑ Nanatrika izany ny ekipan’ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Matsiatra Ambony Rtoa Razanamahefa Stella sy ny mpiara-miasa aminy, nanatanteraka fanentanana mahakasika ny Fikaonandoha sy fampahafantarana ny asa sy andraikitra sahanin’ny Fitaleavam-paritra.

Tao aorian’izay dia nanotrona ny fanolorana samboady ho an’ny Filohan’ny Delegasiona Manokana sy ireo Lefitry ny Kaominina Anjoma ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra.