MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐
๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐, ยซย ๐
๐๐๐๐’๐๐ ๐
๐๐๐๐
๐๐๐๐๐ย ยป
๐ณ๐๐๐๐’๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
[๐ญ๐๐๐- 1 oktobra 2026]
ยซย Fahafahana: Fanavaozana ho amin’ny tena fahaleovantena sy fandrosoanaย ยป: io no teny faneva anompanana ny hetsika rehetra ho fanamarihana ny 14 oktobra, izay hotanterahina any amin’ny faritra Sofia ny 13 sy 14 oktobra ho avy izao. Nampahafantatra ny mahakasika izany tamin’ny mpanao gazety ny Komity nasionaly mpikarakara, teto Mahazoarivo, androany maraina.
Ny fampifandraisana ny vanim-potoana roa samy manana ny tantarany (14 oktobra 1958 sy 14 oktobra 2025), no fototry ny hevitra ijoroan’ny ย ยป Fetin’ny Fahafahanaย ยป. Ny voalohany, nijoroan’ny Repoblika Malagasy. Ny faharoa, nisokafan’ny dingana vaovao teo amin’ny fiainam- pirenena ao anatin’ny Fanavaozana. Tanjon’ny fanamarihana amin’ity taona ity, ny hampifandray ny fahatsiarovana ny lasa, ny fanavaozana ny ankehitriny ary ny fanorenana ny ho avin’ny firenena.
Ny Faritra Sofia no hanombohana ny fanamarihana ny 14 oktobra ho ยซย Fetim-pirenena ho an’ny Fahafahanaย ยป. Ireo toerana nanasongadina ny tantaran’ny Filoha Philibert Tsiranana, Filohan’ny Repoblika voalohany, no handray ireo hetsika lehibe: Antsohihy, Anahidrano ary Anjiamangirana.
Anisan’ny fandaharam-potoana, ny fitokanana efitranon-tsekoly, fitokanana Mozea, ny hetsika sy fampirantiana ara-kolontsaina, ny fitsidihana ny trano fonenan’ny Filoha Philibert Tsiranana. Ary hofaranana amin’ny matso lehibe eo amin’ny Seranam-piaramanidina ao Antsohihy.
Ny fankalazana ny 14 oktobra, dia fotoana iombonan’ny Malagasy, hahatsiarovana ny lร lana nodiavin’ny firenena, hankasitrahana ireo taranaka nifandimby izay nandray anjara tamin’ny fikatsahana fahafahana sy ny fiandrianam- pirenena. Handraisana andraikitra koa amin’ny fanorenana ny ho avy.
๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ