MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐ณ๐๐๐๐โ๐ ๐ด๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐
[๐ญ๐๐๐-30 ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ 2026]
Nandray anโAndriamatoa JI Ping, Ambasadaoronโny Repoblika Entim-bahoakanโi Sina eto Madagasikara, ny Praiminisitra, Lehibenโny Governemanta, androany maraina, tao aminโny Lapanโi Mahazoarivo. Fitsidihana fanaovam-beloma izao, noho ny fahataperanโny iraka diplaomatika notanterahinโny Ambasadaoro teto Madagasikara.
Nifantoka taminโny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo aminโi Madagasikara sy Sina ny dinika, indrindra eo aminโny sehatry ny fambolena, angovo, fotodrafitrasa, varotra, fizahantany ary fiarovana.
Anisanโireo tetikasa lehibe noresahina ny dingana faharoa aminโny tetikasa ยซ Riz hybride ยป, miaraka aminโny fanohanana mitentina 20 tapitrisa Yuan, ho fanohanana ny ezaka ataonโi Madagasikara aminโny fanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Voaresaka ihany koa ireo tetikasa momba ny famokarana herinaratra, fanatsarana ny lalana sy fotodrafitrasa, ary ny fanarenana fotodrafitrasa ao Toamasina.
Nasongadina nandritra ny fihaonana ihany koa ny fitomboanโny fifanakalozana ara-barotra eo aminโny firenena roa tonta sy ny fahafahanโireo vokatra malagasy miditra bebe kokoa aminโny tsena sinoa, indrindra ireo vokatra ara-pambolena sy fiompiana. Eo aminโny fizahantany kosa dia nodinihina ny mety hamerenana ny sidina mivantana mampitohy anโi Sina sy Madagasikara, ho fanamafisana ny fivezivezenโny olona sy ny fifanakalozana ara-toekarena.
Nankasitraka ny vokatra azo tsapain-tanana avy aminโny fiaraha-miasa aminโi Sina ny Praiminisitra, indrindra ireo tetikasa mifandray mivantana aminโny filร nโny mponina. Nohamafisiny fa hanohy ny ezaka i Madagasikara aminโny fanatsarana ny kalitaonโny vokatra fanondrana, fanamorana ny fampiasam-bola ary fanatsarana ny tontolonโny fandraharahana.
Nifanaraka ny roa tonta fa hotohizana sy hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa mba hahafahanโireo tetikasa iarahana manatanteraka mitondra vokatra mivaingana sy mifanaraka aminโireo laharam-pahamehanโny fampandrosoana eto Madagasikara.
๐ก๐ ๐ฆ๐ฒ๐ฟ๐ฎ๐๐ฒ๐ฟ๐ฎ