𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏’π’Š π‘΄π’‚π’‰π’‚π’›π’π’‚π’“π’Šπ’—π’
[𝑭𝒂𝒉𝒂- 29 septambra 2026]
Noraisin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana androany teto amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, Andriamatoa Fily Sissoko, Tale misahana an’i Mozambika, Madagasikara, Maorisy, Kaomoro ary Seychelles eo anivon’ny Banky Iraisam-pirenena, izay manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara amin’ity herinandro ity.
Nifantoka tamin’ny fijerena ny fivoaran’ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny Banky Iraisam-pirenena ny dinika, ary indrindra ny fomba hanamafisana izany fiaraha-miombon’antoka izany ho fanohanana ireo laharam-pahamehan’ny Fanjakana eo amin’ny fampandrosoana.
Nohamafisin’ny Banky Iraisam-pirenena nandritra izany ny fahavononany hanohy sy hanohana ny ezaka fampandrosoana ataon’i Madagasikara, indrindra amin’ireo sehatra misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainan’ny mponina sy ny toekarem-pirenena.
Anisan’ireo sehatra noresahina manokana ny rano, ny angovo, ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina, ny fambolena, ary ny fanohanana ireo hetsika ahafahana mamorona asa sy fahafahana ara-toekarena ho an’ny Malagasy.
Ity fihaonana ity dia manamafy ny finiavana hanohy ny fifampidinihana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Governemanta Malagasy sy ny Banky Iraisam-pirenena, mba hahafahana mametraka vahaolana maharitra sy mahomby manoloana ireo filΓ na laharampahamehana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
𝐍𝐲 π’πžπ«πšπ¬πžπ«πš