MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐'๐๐ ๐ ๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐
Notanterahina ny Talata 29 Septambra 2026, tao aminโny efitranonโny Faritra Atsimo Andrefana, Toliara, ny lanonana fametrahana anโAtoa Juvelin Rezara ho Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao Atsimo Andrefana.
ย
ย Nanomboka taminโny fotoam-pivavahana fohy notarihinโireo Raiamandreny FFKM ao Toliara ny lanonana.
ย
ย Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny fotoana ireo tompon’andraikim-panjakana eo anivonโny Faritra, ny Lehiben’ny Faritra, ny Lefitrin’ny Lehiben’ny Distrika Toliara I sy II,ny lefitry ny filohan’ny Delegasiona manokan’ny Kaominina Toliara I, , ny Ben’ny Tanana Kaominina Mitsinjo Toliara II, ireo tomponโandraikitra sivily sy miaramila, ireo Raiamandreny ary ireo fikambananโny tanora.
ย
ย Nisolo tena ny Minisiteranโny Fanavaozana foibe kosa ny Tale Jeneraly misahana ny Fandrindrana araka’asa sy ara-stratejika Atoa Rakotoson Laurent , ireo Tale ary ireo mpikambana ao aminโny Kabinetranโny Minisiteranโny Fanavaozana.
ย
ย Nanome tso-drano ny Talem-paritra vaovao ny solontenanโireo Raiamandreny eo anivonโny Faritra..
ย
ย Nohamafisiny ihany koa fa mpanomponโny vahoaka ny mpitondra, ka tokony hifototra aminโny fanompoana ny vahoaka ny fanatanterahana ny andraikitra. Notsiahiviny ihany koa ireo iraka enina (6) iantsorohanโny Minisiteranโny Fanavaozana.
ย
ย Nisaotra ny Fitondram-panjakana noho ny fahatokisana sy ny fanendrena azy ny Talem-paritra vaovao. Nanentana ny hery velona rehetra eto aminโny Faritra Atsimo Andrefana ihany koa izy mba hifanome tanana aminโny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena miaraka aminโny FFKM.