MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
MCR
Ministรจre Chargรฉ de la Refondation
๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐โ๐๐ ๐ ๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐
Notanterahina tao Sambava ny 28 Septambra 2026 ny lanonana fametrahana aminโny fomba ofisialy anโAtoa Randrianasolo Eliahevitra, ho Talem-paritra misahana ny Fanavaozana ao SAVA.
ย
Nanome voninahitra ny lanonana ireo tomponโandraiki-panjakana sy solontena isan-tsokajiny ao an-toerana, anisanโizany ny Lehibenโny Faritra, ny Lehibenโny Fileovana ary ny Benโny Tanร na Lefitra ao Sambava. Naneho ny fahavononany hiara-hiasa aminโny Talem-paritra vaovao izy ireo aminโny fanatanterahana ireo asa mifandraika aminโny Fanavaozana.
ย
Nisolo tena ny Minisitra misahana ny Fanavaozana ny Tale Jeneraly misahana ny Fikaonandoha, Atoa Rahajary Tsialoninarivo.
Nambarany nandritra ny lahateniny fa tsy vitanโolona na vondrona iray irery ny Fanavaozana, fa mitaky fiaraha-mientanโny Fanjakana, ny mpandraharaha ary ny vahoaka.
ย
Notsindriany ihany koa ny andraikitry ny Minisitera aminโny fanomezana tantsoroka aminโny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena, izay tarihinโny FFKM, ary koa ireo asa maro hafa iantsorohanโny MCR.
ย
Anisanโizany ny fananganana ny Plateforme des Auditeurs Ministรฉriels (PAM), izay natao hanombanana ireo fanatsarana ilainโny Fanavaozana sy hanaraha-maso ny fanatanterahana izany. Eo ihany koa ny Cellules de Refondation Ministรฉrielles (CRM), izay hanohana sy hitarika ny fanatanterahana ireo lahasa voafaritra ho fanatsarana ny asanโireo Minisitera.
ย
Noderaina manokana ihany koa i Sambava sy ny Faritra SAVA noho ny fahadiovanโny tanร na sy ny fahadiovam-po hita taratra aminโny fifandraisana aminโny mponina.
ย
Nampaherezina ihany koa ny vahoakanโi SAVA mba ho sahy hijoro aminโizay tokony hovaina sy havaozina. Ny Fanavaozana dia miainga aminโny tsirairay, mitaky fahatsapantena sy fahasahiana.
ย
โTsy osa isika. Tsy mahantra isika. Tompony isika fa tsy mpindrana ity firenena ity.โ
ย
Ho anโny Talem-paritra vaovao, Atoa Randrianasolo Eliahevitra, dia naneho fankasitrahana noho ny fitokisana napetraka taminy ary nanambara ny fahavononany hanatanteraka amim-pahamatorana ny andraikitra nankinina aminy, ho fanohanana ny ezaka fanatanterahana ny Fanavaozana ao aminโny Faritra SAVA