๐…๐€๐๐€๐‘๐„๐๐€๐๐€ ๐“๐€๐Ž๐‘๐ˆ๐€๐โ€™๐๐˜ ๐‘๐ˆ๐•๐Ž-๐ƒ๐Ž๐™๐€ ๐…๐˜๐“๐ˆ๐€ ๐’๐˜ ๐†๐„๐™๐€๐๐ˆ : ๐๐€๐๐Ž๐‹๐Ž๐“๐‘๐€ ๐๐˜ ๐“๐€๐“๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐Œ๐Ž๐Œ๐๐€ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐…๐ˆ๐‹๐€๐๐€ ๐‡๐Ž ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐๐˜ ๐…๐€๐๐€๐‘๐„๐๐€๐๐€ ๐๐˜ ๐๐๐”๐ƒ

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’’๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-24 ๐’”๐’†๐’‘๐’•๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’“๐’‚ 2026]
Noraisinโ€™ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, ny Solontena Maharitry ny PNUD eto Madagasikara, izay nanolotra sy nampahafantatra ny tatitra momba ireo filร na ho aminโ€™ny fanarenana ny fahasimbana nateraky ny fandalovanโ€™ny rivo-doza Fytia sy Gezani.
Ity tatitra na Post-Disaster Needs Assessment (PDNA) ity dia vokatry ny fanadihadiana lalina natao niaraka taminโ€™ireo rafitra nasionaly, indrindra ny CPGU sy ny BNGRC. Ny PNUD, ny Banky Iraisam-pirenena (World Bank) ary ny Vondrona Eoropeana (UE) no mpiara-miombonโ€™antoka nanome tantsoroka ara-teknika sy ara-bola taminโ€™ny fanatanterahana ity fanombanana ity.
Nanolotra mivantana taminโ€™ny Praiminisitra ny tatitra, taminโ€™ny endrika an-taratasy sy elektronika, ny Solontena Maharitry ny PNUD. Fotoana ihany koa izany nampahafantarana ny sehatra an-tserasera ahafahana manara-maso ara-potoana ny fahavoazana ateraky ny loza voajanahary.
Nangataka ny hanaovana fampahafantarana ofisialy ity sehatra an-tserasera ity miaraka aminโ€™ny Lehibenโ€™ny Governemanta ny PNUD (Systรจme des Nations Unies). Nomenโ€™ny Praiminisitra toromarika ny hanatanterahana izany alohanโ€™ny 10 oktobra 2026, ary hampiarahana aminโ€™ny fanolorana ny drafitra fiomanana aminโ€™ny voka-dratsinโ€™ny El Niรฑo.
Nodinihina nandritra ny fihaonana ihany koa ny fampifanarahana ny fandraisanโ€™anjaranโ€™ireo mpiara-miombonโ€™antoka aminโ€™ireo filร na voafaritra ao anatinโ€™ny PDNA, mba hahafahanโ€™ny fanampiana sy ny fampiasam-bola mifantoka aminโ€™ireo laharam-pahamehana tena ilaina aminโ€™ny fanarenana.
Hatao miaraka aminโ€™ireo ekipa teknika, anisanโ€™izany ny Direction Gรฉnรฉrale des Investissements Publics (DGIP), ihany koa ny fanadihadiana ara-bola momba ny drafitra fanarenana.
Nohamafisinโ€™ny PNUD ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasa aminโ€™ny Governemanta aminโ€™ireo laharam-pahamehana napetraka. Anisanโ€™izany ny sehatry ny fanovana nomerika, miaraka aminโ€™ny ministera misahana izany, indrindra aminโ€™ny Digital Readiness Assessment sy ny fanamafisana ny fotodrafitrasa ara-nomerika, ka isanโ€™ny laharam-pahamehana ny data center.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ