๐Ÿ“23 Septambra 2026 | Andriba โ€“ Distrikanโ€™i Maevatanร na
๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ ๐…๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐๐€๐๐€ ๐ˆ๐…๐Ž๐“๐Ž๐๐˜ ๐’๐˜ ๐…๐€๐๐„๐๐“๐€๐๐€๐๐€ ๐Œ๐Ž๐Œ๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐Š๐€๐Ž๐๐€๐๐ƒ๐Ž๐‡๐€๐Œ-๐๐ˆ๐‘๐„๐๐„๐๐€
Nidina ifotony tao aminโ€™ny Kaominina Ambanivohitrโ€™Andriba, Distrikanโ€™i Maevatanร na, ny Talem-paritra misahana ny Fanavaozana Betsiboka Atoa Ramaroso Moรฎse, niaraka taminโ€™ireo Lehiben’ny Sampandraharaham-panjakana, nitondra teny fampahafantarana sy fanentanana momba ny Fikaonandoham-pirenena iarahana aminโ€™ny FFKM.
๐Ÿ‘ฅ Nandray anjara taminโ€™izany ny Benโ€™ny Tanร na sy ny Lefiny, Mpanolontsaina kaominaly, Sefo Fokontany 15 sy ny Lefiny, mpitondra Fiangonana, Raiamandreny ara-drazana, fikambanam-behivavy sy fikambanana samihafa, mpampianatra, Talen-tsekoly ary ireo Sefo ZAP.
๐Ÿ’ฌ Liana sy nandray anjara mavitrika ny vahoaka, indrindra nandritra ny fanontaniana sy valin-teny, izay nahafahanโ€™izy ireo nametraka ireo olana sedrainy sy nanolotra soso-kevitra ary vahaolana.
๐Ÿค Naneho fahavononana handray anjara aminโ€™ny Fikaonandoham-pirenena miainga avy any aminโ€™ny Fokontany ireo mpandray anjara, ho sehatra ahafahanโ€™ny vahoaka maneho ny hetahetany sy mandray anjara aminโ€™ny fananganana vahaolana ho anโ€™ny Firenena.
๐Ÿ•Š๏ธ Tao anatinโ€™ny filaminana, fifanajana ary fifampihainoana tanteraka no nanatanterahana ny fihaonana.
# MCR # Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena