πŸ“… 25 Septambra 2026 | πŸ“ Kaominina Ambanivohitra Andrea – Distrikan’i Maintirano, Faritra Melaky
πŸ‡²πŸ‡¬ 𝐅𝐀𝐍𝐄𝐍𝐓𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 π‡πŽ π€πŒπˆπβ€™ππ˜ π…πˆπŠπ€πŽππ€ππƒπŽπ‡π€πŒ-ππˆπ‘π„ππ„ππ€
Nidina ifotony tao amin’ny Kaominina Andrea ny Talem-paritra Misahana ny Fanavaozana Melaky Atoa Randriamampionona Roger.
🎯 Nanentana sy nampahafantatra ny fiomanana ho amin’ny Fikaonandoham-pirenena, miainga avy any amin’ny Fokontany ny tenany.
πŸ‘₯ Nanatrika izany ny Ben’ny TanΓ na sy ireo Sefo Fokontany ao anatin’ny Kaominina Andrea, dia ny ao Andrea, Ampandra, Ampandramalaza, Mahakenda, Antetezavato, Mandroatsy, Taboaboaky, Manda ary Bemena.
🀝 Nanatrika ihany koa ireo solontenan’ny FFKM izay mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny Fikaonandoham-pirenena eny ifotony.
➑️ Tafiditra ao anatin’ny ezaka fanomanana sy fanentanana ny olom-pirenena izany, mba hahafahana mihaino ny feon’ny vahoaka miainga avy eny amin’ny fokontany mandray anjara amin’ny dingan’ny Fikaonandoham-pirenena.
# MCR # Fanavaozana
# Fifanajana
# Fiarahamientana
# Fanolorantena