Tontosa ny 23 Septambra 2026 ny fanentanana ireo tomponβandraikitra eo anivonβireo fokontany mandrafitra ny Kaominina Ambanivohitra Vohipeno, mikasika ireo dingana sy asa ao anatin’ny Fanavaozana.
Tanteraka izany noho ny fiaraha-miasanβny Benβny TanΓ nanβi Vohipeno sy ny Fitaleavam-paritra Misahana ny Fanavaozana Analanjirofo.
Nampahafantarina taminβizany ny fahatongavanβny Fikaonandoham-pirenena tarihinβny FFKM, ary nohamafisina ihany koa ny fanentanana momba ny fanehoam-pitiavan-tanindrazana, toy ny fametrahana ny tanana havanana eo aminβny fo havia mandritra ny hiram-pirenena sy ny fanaovana fitafy Malagasy isaky ny Zoma.
Nanambara ny Benβny TanΓ na sy ireo tomponβandraikitry ny fokontany fa vonona izy ireo hiara-hientana sy handray anjara aminβny fanatanterahana ireo hetsika ireo.