FAMETRAHANA NY TALEM-PARITRA MISAHANA NY FANAVAOZANA — ATSIMO ATSINANANA
Notanterahina tao Farafangana ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy an’Andriamatoa Iotokarozy ho Talem-paritra misahana ny Fanavaozana any Atsimo Atsinanana.
Nanotrona: ny Mpandrindra Ankapobe sy ny Mpanolotsaina Teknika avy amin’ny Minisitera, ny solontenan’ny Lehiben’ny Fileovana sy ny Faritra, ny solontenan’ny Ben’ny Tanàna, ireo tompon’andraiki-panjakana ambony ao an-toerana, ary ny FFKM.
Nisolo tena ny Minisitra tany an-toerana ny Mpandrindra Ankapobe, Andriamatoa Andriatsima Onisoa, izay nanambara fa anisan’ny iraka enina iandraiketan’ny Minisitera ny fanomezana tantsoroka ara-kevitra sy ara-teknika amin’ny Fikaonandoham-pirenena.
Notsindriany fa miantoka ny fampandrosoana ara-tsosialy, ara-ekonomika, ary ara-politika eo amin’ny faritra ny DRR — sady zava-dehibe ny fihainoana ny feon’ny vahoaka sy ny fampandraisana anjara azy amin’ny dingan’ny Fanavaozana.
Fanjakana vonona, mandray andraikitra, mamaly ny filàn’ny vahoaka.