🇲🇬 26 Septambra 2026 | Lapam-panjakana Iavoloha
💧 FANAOVAN-TSONIA FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA MOMBA NY RANOMASINA HO RANO FISOTRO
🤝 Notanterahina tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Jiangsu Bangtec Huachuang Sci-Tech Co., Ltd sy ny Fitondram-panjakana malagasy, momba ny fanodinana ranomasina ho rano fisotro madio, indrindra ho an’ny Faritra Atsimo.
🇲🇬 Nanome voninahitra ny lanonana ny Filohan’ny Fanavaozana, Kolonely RANDRIANIRINA Michaël, ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ary ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Fitondram-panjakana.
🚰 Tafiditra ao anatin’izany ny tetikasa fanodinana ranomasina ho rano fisotro madio any Ambovombe, izay mikendry ny hanatsara ny fahazoan’ny mponina rano sy hampiroborobo ny fampandrosoana maharitra.
🌍 Fiaraha-miasa iray manan-danja ho fanamafisana ny fahazoan’ny Vahoaka rano fisotro madio sy ho fanatsarana ny fari-piainana.