HETSIKA TSIAHY NY TOLONA 2026

🗓️ 25 septambra 2026 | 📍Anosy

25 septambra 2025, herintaona lasa izay, dia nanamarika fotoana lehibe teo amin’ny tantaram-pirenena ny hetsika sy ny fijoroan’ireo tanora sy olom-pirenena nitaky fiovana.

🕯️ Fotoana lehibe androany ny fitokanana ny tsangambato fahatsiarovana.

Notokanan’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, nisolo tena ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ity tsangambato ity ho fahatsiarovana maharitra ireo namoy ny ainy sy ireo rehetra nijoro nandritra ny tolona.

👥 Anisan’ireo nanotrona ny fotoana :
• Ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana ny Repoblika : Médecin Général Manantenasoa Marcellin Zafitasondry Ranoelson, Jeneraly Lucien Rabearimanana, ny Jeneraly Gervais Andriamiarisoa ary ny Kolonely Solofoniaina Thierry Rampanarivo ;
• Ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta, notarihin’ny Praiminisitra, Mamitiana Jeannot Ruffin Rajaonarison -anisan’izany ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Me Hanitra Razafimanantsoa ;
• Ny Prefektioran’Antananarivo sy ny Lehiben’ny Faritra Analamanga ;
• Ireo fianakavian’ireo niharam-boina ;
• Ireo tanora sy solontenan’ireo mpitolona, ary ireo fikambanana ;

🌿 Taorian’izany, napetraka ny fehezam-boninkazo ho fanomezam-boninahitra ireo niharam-boina.

Ao anatin’ny andro manaraka, hisy ihany koa:
🔹 fifanakalozan-kevitra eny amin’ny oniversite momba ny tantaran’ny hetsika teto Madagasikara sy ny anjara toeran’ny Gen Z ;
🔹 fampirantiana sy seho misokatra ho an’ny olom-pirenena ;
🔹 latabatra boribory sy adihevitra momba ny andraikitry ny tanora ;
🔹 fanatanjahantena sy hetsika ara-kolontsaina ;
🔹 ary sehatra ahafahan’ny olom-pirenena maneho hevitra malalaka.

🇲🇬 Fijoroana, firaisankina ho an’ny taninjanaka.