24 Septambra 2026 | Nanisana
🇨🇳 FENO 77 TAONA NY NIORENAN’NY REPOBLIKA ENTIM-BAHOAKAN’I CHINE
🎉 Nankalazaina tao amin’ny Masoivohon’ny Chine eto Madagasikara ny faha-77 taonan’ny niorenan’ny Repoblika Entim-bahoakan’i Chine.
👥 Nanome voninahitra ny fotoana ireo Mpanolotsaina Avon’ny Fanavaozana: Kolonely Gervais Andriamiharitsoa sy ny Kolonely Rapanarivo Thierry, ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta Atoa Mamitiana Rajaonarison, ny Minisitry ny Foloalindahy nisolo tena ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana, Maître Hanitra Razafimanantsoa.
🎙️ Nisongadina tamin’ny lahatenin’Atoa Ji Ping,Ambasadaoron’ny Chine eto Madagasikara ny fandrosoan’i Chine sy ny fitohizan’ny fivoaran’ny toe-karena sy ara-teknolojia izay nanamafy ny fiaraha-miasa bebe koka amin’i Madagasikara eo amin’ny sehatra maro samihafa.
🤝 Nohamafisina ny fifandraisana maharitra eo amin’ny firenena roa tonta, izay nivelatra tamin’ny angovo, fotodrafitrasa, fambolena, fahasalamana, fifandraisan-davitra ary indostria.
Nisongadina manokana tamin’izany ny fisian’ny tetikasa « riz Hybride » izay manamafy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ho an’i Madagasikara.
💰 Nahatratra 1,19 miliara dolara tamin’ny taona 2025 ny fifanakalozana ara-toekarena teo amin’i Madagasikara sy i Chine.
🙏 Naneho fankasitrahana noho ny fanampiana sy ny fiaraha-miasa nomen’i Chine an’i Madagasikara indrindra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani kosa ny Minisitry ny Foloalindahy.