24 Septambra 2026 | πŸ“ Manakara – Faritra Fitovinany
🀝 π…π€πŒπ„π“π‘π€π‡π€ππ€ 𝐍𝐘 π“π€π‹π„πŒ-ππ€π‘πˆπ“π‘π€ πŒπˆπ’π€π‡π€ππ€ 𝐍𝐘 π…π€ππ€π•π€πŽπ™π€ππ€ π…πˆπ“πŽπ•πˆGππ€ππ˜
Tanteraka androany ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy an’Andriamatoa π‘πšπ§ππ«π’πšπ³πšπŸπ² π‘π¨π¦πšπ«π’π¨ ho π“πšπ₯𝐞𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐒𝐭𝐫𝐚 𝐌𝐒𝐬𝐚𝐑𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 π…πšπ§πšπ―πšπ¨π³πšπ§πš 𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐒𝐧’𝐧𝐲 π…πšπ«π’π­π«πš 𝐅𝐒𝐭𝐨𝐯𝐒g𝐧𝐚𝐧𝐲.
πŸ‘₯ Nanome voninahitra ny fotoana ny delegasiona avy amin’ny Minisitera Foibe, notarihan’ny Mpandrindra Ankapobe Andriatsima Onisoa, sy Randriamandimbisoa Felix, mpikambana ao amin’ny Kabinetra, nisolo tena ny Minisitra, Hanitra Razafimanantsoa.
β–ͺ️ Nanatrona koa ny Lehiben’ny Faritra, ny Sekretera Jeneralin’ny Fileovana, ny Ben’ny TanΓ na, tompon’andraikim-panjakana ambony ao an-toerana, ary solontena avy amin’ny Fitaleavam-paritra Vakinankaratra.
πŸ‘‘ Nahazo tsodrano avy amin’ireo Mpanjaka dimy nisolo tena ny « Mpanjaka NdrenonyΒ Β» avy ao Vohipeno ny Talem-paritra vaovao.
πŸ’¬ Β«Β π‘¨π’π’Œπ’‚ π’•π’”π’š π’‰π’Šπ’”π’š π’Šπ’π’•π’”π’π’π’š π’π’š π’‡π’‚π’π’‚π’—π’‚π’Œπ’‚π’—π’‚π’‰π’‚π’π’‚ 𝒉𝒐𝒆 π’Šπ’›π’‚π’‰π’‚π’š π’‚π’—π’š π’‚π’π’š π’‚π’Žπ’Šπ’’π’π’š π’‡π’‚π’“π’Šπ’•π’“π’‚ 𝒏𝒂 π’Šπ’›π’‚π’‰π’‚π’š π’‚π’—π’š π’‚π’π’š π’‚π’π’Šπ’—π’π’-π’•π’‚π’π’š 𝒇𝒂 π’‚π’π’Œπ’‚ π’Šπ’”π’Šπ’Œπ’‚ π’‰π’Šπ’•π’‚π’Žπ’ƒπ’‚π’•π’“π’‚ π’‚π’Žπ’Šπ’’π’Šπ’›π’‚π’š π’Žπ’ƒπ’‚ 𝒉𝒐 π’‡π’‚π’Žπ’‘π’‚π’π’…π’“π’π’”π’π’‚π’π’‚ π’Šπ’•π’š π’‡π’Šπ’“π’†π’π’†π’π’‚ π’Žπ’‚π’”π’Šπ’π’‚ π’Šπ’•π’šΒ Β» β€” Randriamandimbisoa Felix, nitondra ny hafatry ny Minisitra.
πŸ”Ή Notsindriny koa ny fanavaozana ny asam-panjakana, ny fanohanana ny fifanakalozan-kevitra momba ny Fanavaozana, ary ny fampanjakana ny Fihavanana sy ny Firaisankina eo amin’ny samy Malagasy.
πŸ“Œ Anisan’ny iraka 6 iandraiketan’ny Minisitera : ny fanomezana tantsoroka ara-kevitra sy ara-teknika amin’ny Fikaonandoham-pirenena.