๐Ž๐‹๐˜๐Œ๐๐ˆ๐€๐ƒ๐„ ๐ˆ๐‘๐€๐ˆ๐’๐€๐Œ-๐๐ˆ๐‘๐„๐๐„๐๐€ ๐Œ๐Ž๐Œ๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐€๐‘๐Ž๐•๐€๐๐€ ๐€๐‘๐€-๐๐Ž๐‹๐€ : ๐๐€๐๐ƒ๐‘๐€๐˜ ๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐“๐€๐๐Ž๐‘๐€ ๐‡๐ˆ๐’๐Ž๐‹๐Ž๐๐“๐„๐๐€ ๐€๐โ€™๐ˆ ๐Œ๐€๐ƒ๐€๐†๐€๐’๐ˆ๐Š๐€๐‘๐€ ๐๐˜ ๐๐‘๐€๐ˆ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐‘๐€

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’’๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-23 ๐’”๐’†๐’‘๐’•๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’“๐’‚]
Noraisinโ€™ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana, androany ireo tanora malagasy hiatrika ny Olympiade Internationale sur la Sรฉcuritรฉ Financiรจre, hotanterahina any Krasnayark, Rosia, ny 27 septambra ka hatraminโ€™ny 2 oktobra 2026.
Mpianatra miisa 15 no hisolontena anโ€™i Madagasikara aminโ€™ity fifaninanana iraisam-pirenena ity. Ny 10 aminโ€™izy ireo, sokajy Oniversite, dia avy aminโ€™ny UCM, Oniversitenโ€™Antananarivo ary INSCAE. Mpianatra 5 kosa no ao aminโ€™ny sokajy Collรจge sy Lycรฉe, avy aminโ€™ny Lycรฉe Andoharanofotsy, Vanille Chocolat, Peter Pan, ESCA ary Claire Fontaine.
Nandritra ny fihaonana dia nitondra hafatra ho anโ€™ireo tanora sy ny delegasiona ny Praiminisitra, mialoha ny handehananโ€™izy ireo hisolo tena anโ€™i Madagasikara aminโ€™ity sehatra iraisam-pirenena ity.
Ireo mpianatra ireo dia voafantina taminโ€™ny alalanโ€™ny fifaninanana an-tserasera nokarakarainโ€™ny Federasiona Rosiana. Mifantoka indrindra aminโ€™ny ady aminโ€™ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana (LBC/FT) ny taranja hifaninanana, ka noho izany dia ny Tale Jeneraly mpisolo toerana ao aminโ€™ny SAMIFIN no mitarika ny delegasiona malagasy, izay ahitana ireo mpianatra 15 sy mpanaraka 5.
Efa nandray anjara taminโ€™ity Olympiade ity i Madagasikara taminโ€™ny taona 2025, tao aminโ€™ny sokajy Oniversite, ary iray taminโ€™ireo mpianatra malagasy no nahazo ny mari-boninahitra โ€œlaurรฉatโ€. Aminโ€™ity taona 2026 ity kosa no sambany handraisanโ€™i Madagasikara anjara aminโ€™ny sokajy Collรจge sy Lycรฉe.
Fotoana iray ahafahanโ€™ireo tanora malagasy mampiseho ny fahalalany sy ny fahaiza-manaony ary misolo tena ny firenena eo aminโ€™ny sehatra iraisam-pirenena ity fifaninanana ity.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ