๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐€๐’๐€๐Œ-๐๐Ž๐‹๐€๐Œ-๐๐€๐๐‰๐€๐Š๐€๐๐€ : ๐‡๐€๐Œ๐€๐…๐ˆ๐’๐ˆ๐๐€ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐‘๐„๐’๐€๐‡๐€๐๐€ ๐’๐˜ ๐๐˜ ๐…๐ˆ๐…๐€๐Œ๐๐ˆ๐“๐Ž๐Š๐ˆ๐’๐€๐๐€ ๐€๐Œ๐ˆ๐โ€™๐ˆ๐‘๐„๐Ž ๐Œ๐๐ˆ๐€๐‘๐€-๐Œ๐ˆ๐Ž๐Œ๐๐Ž๐โ€™๐€๐๐“๐Ž๐Š๐€ ๐€๐‘๐€-๐“๐„๐Š๐๐ˆ๐Š๐€ ๐’๐˜ ๐€๐‘๐€-๐๐Ž๐‹๐€

๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’’๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-23 ๐’”๐’†๐’‘๐’•๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’“๐’‚ 2026]
Notanterahina androany tao aminโ€™ny Novotel Antananarivo ny fihaonanโ€™ny Governemanta taminโ€™ireo Mpiara-miombonโ€™antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF), teo ambany fitarihanโ€™ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta, RAJAONARISON Mamitiana.
Ity fihaonana ity dia tafiditra ao anatinโ€™ny fanavaozana ny fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana, indrindra ireo famatsiam-bola avy any ivelany, ka tanjona ny hirosoana aminโ€™ny fitantanana mirindra kokoa, mifototra aminโ€™ny laharam-pahamehanโ€™ny Governemanta sy ny vokatra andrasana eny ifotony.
Nandritra ny fihaonana dia naseho taminโ€™ireo mpiara-miombonโ€™antoka ny tombana nohavaozina momba ireo famatsiam-bola avy any ivelany, ary nozaraina ihany koa ireo toromarika stratejika sy ara-pampiharana ho fanatsarana ny fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana. Nojerena manokana ireo sakana mbola mampiadana ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe, mba hahafahana manafaingana ny vokatra eny ifotony.
Nohamafisinโ€™ny Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana fa zava-dehibe ny fifampiresahana tsy tapaka eo aminโ€™ny Governemanta sy ireo Mpiara-miombonโ€™antoka ara-teknika sy ara-bola, mba hampiorina ny fifankahazoana sy ny fifampitokisana eo aminโ€™ny roa tonta.
Tanjona ny hampiray zotra sy hampifanaraka ireo asa sy laharam-pahamehana, mba tsy hisy sakana hampiadana ny fanatanterahana ny tetikasa sy ny fampiasam-bola, fa hahafahana kosa manafaingana azy ireny sy mampitombo ny vokatra azo avy aminy.
Nambaranโ€™ny Lehibenโ€™ny Governemanta fa voaray avokoa ireo fanamarihana sy fanontaniana napetrakโ€™ireo mpiara-miombonโ€™antoka. Nohamafisiny fa hanao ny ezaka rehetra ny Fanjakana aminโ€™ny famahana ireo olana sy fanatsarana ny fandrindrana, mba handeha haingana kokoa ny fampiasam-bolam-panjakana ary hiteraka tombontsoa mivaingana sy tsapanโ€™ny olom-pirenena eo aminโ€™ny fiainany andavanandro.
Araka izany, tsy tokony hijanona aminโ€™ny famatsiam-bola sy ny fanatanterahana tetikasa fotsiny ny ezaka atao, fa tokony hahatonga ireo fampiasam-bola ireo hisy fiantraikany mivantana aminโ€™ny fiainanโ€™ny vahoaka sy ny fampandrosoana ny firenena.
Anisanโ€™ny vokatra andrasana aminโ€™ity sehatra fifanakalozan-kevitra ity ny fanamafisana maharitra ny fifampiresahana sy ny fandrindrana eo aminโ€™ny Governemanta sy ireo PTF, ny fametrahana andraikitra iarahanโ€™ny roa tonta aminโ€™ny fanatsarana ny fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana, ary ny fiaraha-mientana hamahana ireo sakana manemotra ny fanatanterahana ireo tetikasa lehibe.
Ny fihaonana dia nokarakarainโ€™ny Primatiora, taminโ€™ny alalanโ€™ny Direction Gรฉnรฉrale des Investissements Publics (DGIP), ary nahitana ny fandraisanโ€™anjaranโ€™ireo ministera voakasika sy ireo mpiara-miombonโ€™antoka ara-teknika sy ara-bola eto Madagasikara, ahitana ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena sy ireo sampan-draharahanโ€™ny Firenena Mikambana.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ