23 septambra 2026 πŸ“ Anosy
πŸ”΅ π…πˆπ€π‘π€π‡π€-πŒπˆπ€π’π€ π‡π’πˆπ‹ – 𝐀𝐄𝐒 : πƒπˆππ†π€ππ€ π‡π€π‡π€π™πŽπ€ππ€ π…πˆπ“π’π€ππŽπ€ππ€ πƒπˆπ€π‹π˜π’π„ 𝐓𝐒𝐀𝐑𝐀 πŠπŽπŠπŽπ€
Nanatrika ny hetsika famelabelarana nokarakarain’ny AES, niaraka tamin’ny HSIL (Hindustan Sanitaryware & Industries Limited), mpanamboatra fitaovana dialyse, ny Minisitra Misahana ny Fanavaozana, MeHanitra Razafimanantsoa.
πŸ’‘ Tanjona : fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpandraharaha tsy miankina sy ny fitondram-panjakana amin’ny sehatry ny fahasalamana, sy fanamorana ny fanomezana fitaovana ilaina amin’ny fikarakarana ny marary mila dialyse.
πŸ”Ή Efa nifandray amin’ny hopitaly ao Antananarivo sy Antsirabe ny HSIL, izay nanolotra ny tetikasa NEPHRO Cure : teknolojia hamaliana ny filΓ n’ireo toeram-pitsaboana dialyse – olana lehibe noho ny fahasimban’ny fitaovana sasany.
🀝 Nanatrika ihany koa ireo mpitsabo sy tompon’andraikitra eny anivon’ny toeram-pitsaboana, mba hanokafana lalana ho an’ny fisitrahana dialyse tsara kokoa ho an’izay rehetra mila izany.